Mirary taona 2010 mahafinaritra ho antsika rehetra. Miala tsiny raha toa ka izao vao mihetsika indray ny blog, iaraha-mahalala fa enjana ny fitadiavana amin’izao dia somary tavela kely ny fikarakarana azy ity. Ireto aloha ary misy vaovao tapatapany azo farany.
- Namoaka 2e album ho zaraina i Nosmas, antsoy lery na koa andefaso mailaka izahay (hhdago_at_gmail.com) raha toa ka te ahazo ianao.
- Hiakatra antsehatra indray i Mista, solo io, any amin’ny volana Avril any.
- Ny BCroix koa dia hamoaka album tsy hamidy fa ho zaraina koa.
- Hamoaka vazo 5 ny BMaso, spécial afondasy izy io, ary misy an’ilay titre « 17 octobre »
- Kofa roa no nandao an’i Madagasikara dia i Masakado, hanao légionnaire, ary i Jimskyron kosa hanohy fianarana.
Izay indray aloha no azo ambara amin’izao voalohan’ny taona izao.
Hira novokarin’ny Sarysyfeo.mg izay tsy atoro antsika intsony fa anisan’ny sangany eo amin’ny famokarana rakitsary (Afondasy, Takodah sy NgahB, Karnaz …) eto amin’ny tanàna. Eto dia niketrika niaraka tamin’ny Y-mar, Raboussa ary Xtah ry izalahy amina tetik’asa momba ny zon’olombelona eto Madagasikara. Marihina fa nahazo fankasitrahana avy amin’ny Firenena Mikambana izy ity nandritra ny fankalazana ny zon’olombelona ny 10 Desambra lasa teo.
-ANARANY : RANOARIVONY
-FANAMPINY : Barianja
-DATY NAHATERAHANY : 21-08-1985
-SOLON’ ANARANY : Dmor-B (tonony hoe dmorbi avy @ hoe morbide) aka TA’AN
-GADONA ATAONY : HARDCORE amin’ny fombany manokana sy fomban’ny Tangala, indraindray SOUL
-NY LYRICS : Métaphysique no fototra fa ny endriny SAMIHAFA, dia SAMY HAFA, ary ara-panahy lalan-dava.
SAMIHAFA satria ny fijery sy ny fanadiahadiana mialohan’ny hanoratana dia métaphysique, ara-panahy izany izay. Ny fiteny ohatra tsy ahitàna taratra mivantana an’ilay izy (Street be, hoatr’ahy taloha be e!), fa mahitsihitsy be. Izay izao dia hiavahako amin’ny Tangala hafa aloha. Rehefa manao hoatr’izay aho dia misy hafatra tiako ampita maika izay. Fa tsy manakana ahy hanao sarin-teny (métaphores) ihany izany.
SAMY HAFA satria izaho efa izaho, ary ny tsirairay tokana. Ity ilay nahazoako ny anarako hoe Dmor-B, ilay mampanontany ny olona ahy foana hoe “Sao mifoka miafina ary elah”. Ity indray dia vokatry ny fanahiko manokana, fa avoaka an-tsoratra sisa. Mety hoe fijery manokana, fihetse-po, na tonga dia délires tsotra fotsiny.
ARA-PANAHY LALAN-DAVA satria tsy afaka hiteny hoe métaphysique raha tsy mandalo ny tontolon’ny fanahy sy ny tsy azo tsapain’ny ara-batana (insensible) aloha. Ary araka ny fiteniko, dia hoe : “TSAPAN’NY FANHINAO + MISTERY HOAN’NY SAINAO + AZA MIHERIKA IANAO FA TSY HITAN’NY MASO MAHITANAO!!!”
Ankoatr’izay, aza gaga raha maheno hoe “JESOSY”, na “JEHOVAH”, na “ANDRIAMANITRA” sy izay anarany hafa, any antin’ny tonon-kirako fa AMIKO MANOKANA, Métaphysique fara-tampony io izay, ARY ARA-PANAHY BE.
Taga ohatra (fanajana be hoan’azy) manonona hoe Bouddha noho ny fankafizany ny kolontsaina tatsinanana, izaho kosa dia miaina tanteraka amin’ny maha kristianaina ahy amin’izay.
Métaphysique moa efa nahalalàna ny Tangala hatramin’izay, ka folaka ho azy rehefa tena Tangala. Iny an’ny Tangala ihany no mamantatra hoe ity olona ity efa Tangala tsara.
-NY FILOZOFIANY @ RAP : Ny Rap-ko dia Rap-ko, ataoko izay hahatsra azy, Ambany tany foana aho, ary tsy afa-miala amin’ny Métaphysiques intsony fa efa fiainako koa io, FA JESOSY NO TOMPON-TENY FARANY.
-NY TANJONY AO @ RAP : Natsoin’ny Rap aho (hoatran’ny hoe kôtin’ny kali nefa kof), dia niara-dia izahay, niara nahita ny mamy sy ny mangidy, ary hiara-dia mandra-pahafaty arak’izay azo atao, miampy raki-kira (zanakay sy ny Rap ireo izany). Fa izaho no mandidy azy nefa, satria ato amiko izy vao ao aminy aho. Azoko ajanona izy raha tiako ajanona, ary miaraka ahondriko amiko eo anatrehan’Andriamanitra fa tsy io RAP io akory no sampiko.
TARIKA MISY AZY @ IZAO FOTOANA:
- OTF ( Olon’ny Tena Fanahy )
- Mandeha SOLO ao amin’ny Tangala
NY FOMBA HIFANDRAISANA AMINY
- barianja@yahoo.fr
TANTARANY FOHIFOHY :
- 2000 : rehefa avy nandalo tamin’ny fitispika sasany amin’ny HIP HOP vokatry ny fanarahana ny zoky maro [anabavy (tao amin’ny dihy) sy ny cousins (teo amin’ny RAP)] efa tamin’ny taona 90 tany mihitsy (mbola kely ery), dia tapa-kevitra ny hiRAP ihany na dia efa nanandranandrana kely ary teny an-tsefantsefany teny. Nandeha irery aloha, dia avy eo nifanena tamin’izay akama lasa manao hard izay satria taloha izahay nanao accoustique. Nitondra ny anarana hoe Bstyx (tononina hoe Beast X na B Styx).
- 2001, 2002 : nikotrana teny foana (nanao répétitions sy nanoratra foana aloha), ary mbola tsy nieritreritra ny hamoaka vazo raha tsy afa-po (soa ihany aloha). Dia nitady mpanao instrum, fa mahakikina be ny mitendry any amin’ny studio (tany amin-dry BIL), moa lasa nanao hard amin’izay ny mpiara-miRAP tamin’izany. Nifanena tamin’ny Tangala tamin’ny volana novambra 2002, noho ny zandrin’i Mainty izay niara-nianatra taminy.
- 2003: Niaraka tamin’ny Tangala fa mbola tsy mpihira tao aloha, satria mbola mamboly ny maha Tangala ao anaty, dia mbola nanao vazo tsy métaphysiques mandra-piova tanteraka. Nianatra nanao insta fa leo ampifilafialina foana. Niaraka nidrafitra (connexion) album (izay tsy nety teraka mihitsy) tamin’i Metho (bandin’ny AP Tafika), dia tamin’izany hoe Bstyx & On’X (karazana Methodman & Redman e!).
- 2004: Nitohy teny ihany aloha tsy mbola nivazo tao Amin’ny Tangala fa nanao an’ilay drafitra teo aloha, fa niampy cousin (an’i Dmor-B) izay, ka lasa hoe OBT (On’X – Bstyx – T-Rex Bomb), dia niara-dia tamin’ny TAT (clan nisy an-dry Bil sy ny zokin’i Dabo) izay misy bandy akama. Officialisé Tangala rehefa avy nanao tamin’ny hira connexion Tangala hoe “Rà miantso Rà”, ka dia nanomboka tamin’iny dia lasa mpanao refrain tao no sady efa nandeha solo.
- 2005: Satria natetika nanao feat ireo bandy fito samy nadeha solo, dia teraka ny OTF na dia efa drafitra 2004 aza fa ôfisialy 2005.Nivadika hoe Dmor-B ilay Bstyx, satria efa antsoin’ny reniny foana hoe Morbide. Nanampy an’i Taga nanao ny album-ny no sady maka traikefa, dia mivazo ao amin’ny Tangala koa. Ny OTF moa mandeha ihany, ary nandray anjara tamin’ilay hetsika SAGA TANGALA. Mbola tsisy vokatra Dmor-B manokana heno (fa efa maro no voasoratra sy vita insta), ary tsy fantatra hoe iza akory aza.
- 2006: tapa-kevitra ny hidrafitra ny azy manokana amin’izay, ary hamoaka hira sy mikasa ny hanao album. Nidrafitra mangina teny foana (angamba moa?), satria koa samy sahirana kely (miasa & mianatra) aloha ny OTF dia drafitra SOLO aloha no azo atao, fa mamokatra kosa isaky ny mifanena.
- 2007: hitahita eny ihany, miketrika album eny ihany, dia nandalo fiovàna maro izay hohitanareo eny ihany koa. Mikotrana foana, ary mianatra mandra-pahafaty.
ANKOATR’IZAY KA TSY VOALAZA TEO AMBONY: Tia RAP izy, fa voataiza tamin’ny mozika maro samihafa (Jazz, Latino, classique,…) noho ny rainy sy ny fianakaviany milomano ao. Manao instrum hoan’ny olona ankoatr’azy koa izy (ohatra : OTF, Buddha El Taga, Mainty, Syon, Athana T, Fanaï, Jeff Walt, Phenomenaly, Stormm izay mpanao RNB-Soul sy Rap, Metho, Hea-V izay mpanao Gospel sy Soul, No flesh, ary mpanao Rap maro hafa koa).
HAFATRA FARANY : Misaotra ny Tompo fa nataony niRAP, misaotra an’ireo rehetra manohana (Ray aman-dreny, TANGALA, Bandy akama sy sipa akama, mpiara mianatra,…), misaotra ny mpankafy na dia maro aza no tsy fantatra, dia marina ny tenin’i Taga hoe Rap tsy concours fa feeling sy fiainana.
Afin de sélectionner des créations chorégraphiques à programmer, dans le courant de l’année 2010, dans le cadre de son plateau tremplin et découverte DIHY DANSE, le Centre Culturel Albert Camus lance un appel à candidature pour des auditions qu’il organise les lundi 30 novembre et mardi 1er décembre 2009.
Pour participer à ces auditions, veuillez retirer votre fiche de candidature à l’accueil du CCAC (2ème étage)
Date limite pour le dépôt du dossier de candidature :
vendredi 20 novembre 2009 à 18h
Règlements :
- La création proposée doit avoir une durée totale de 20 à 30min
- Toute création ayant déjà fait l’objet d’une représentation publique dans le cadre de la programmation culturelle du CCAC (dihy danse ou autres), ou d’une autre structure culturelle, ou d’un événement et plateforme artistique ne peut pas être proposée lors des auditions.
- La compagnie aura à présenter devant le jury (sera composé de créateurs du domaine des spectacles vivants, et des représentants du CCAC) un extrait de la création d’une durée de 5 min à 10min lors des auditions.
- Il est impératif de retourner au CCAC (accueil – 2ème étage) votre dossier de candidature avant le vendredi 20 novembre 2009 à 18h composé de : la fiche de candidature dûment remplie + CV artistique du chorégraphe
- La ponctualité et le respect de l’organisation établie sont des qualités exigées lors des auditions. Les organisateurs sont en droit de refuser une candidature en cas de non respect de ces règles.
Pour tous renseignements : 22 292 38
Source : CCAC
Mila tànana izahay ry ‘zalahy/zavavy ah. Amin’ny resaka vaovao, vazo, clips sns … Raha misy any dia mba alefaso. Ny tanjona eto dia ny hanaparitaka ireo vokatra manerana ny nosy amin’ny alalan’ny fandaharana. Misy afaka apetraka eto amin’ny blog koa ny ampahany amin’izany. Koa dia manainga antsika rehetra izay mivohy sy ao anatin’ny tontolon’ny HH Gasy mba hanome tànana araka izay tiany.
Ity ny mailaka raha mila fanazavana fanampiny : hhdago_at_gmail.com
Big up daholo!




