Skip to content

Ahirato ny maso – Psykopasy

avril 2, 2009

Ialahy ihany dia kopy ny zava-misy eto amin’ny tanàna (eh)
tsika mitsamy mihaina an’zany fahantrana (eh)
Ialahy ihany dia kopy fa …

Amin’ izao toan-jato faha 2000 izao inona moa no mba miova
Raha ny hitan’ ny maso aloha mitombo ny olana eo anivon’ny tanora
Tsy fananam-bola no mahatonga ny akamaroany mijanona amin’ny fianarana
Hifantoka sahady amin’ny fitadiavana
Asa fa ny fitadiavan’ asa amin’ ny oron’asa afak-kaba maro samiafa eto amin’ ny ville no lasa vaha olana
Mahalala tena fa tsy mahita hanin-koanina tsy milamina
Ataon’ ny vola mitebiteby tsy aki-janona rehefa mibaribary hoe tsisy
Hanampy ny tena tsisy sosy tsy homena fotsiny no harenan’ ny olom-bitsy
Fanirian’ ny olom-belona ny ho tafa fa roan y safidy ao anatin’ny système na mibosy na miasa
Dago mbola andalam-pandrosoana sarotra ny hanafoana ny fahantrana
Raha ny 70 isan-jato amin’ ireo no mitafy gony
Sarotra ny hanafoana an’ izany raha betsaka ny voatery manaraka ny onjany ohatry ny ondry
Mamokona tontondry

Mampalahelo ny toe-dravatra
Ray aman-dreny namana aman-kavana
Heniky ny fitadiavana, ny vidim-piainana midangana
Firy isan-jato ny ponina eto gasikara no mahatsapa hoe miadana

Inona moa no hitan’ ny maso raha tsy firenenam-bola votsa
Manankarena amin’ ny kolon-tsaina nefa bokan’ ny trosa
Vola an-tapitr’ isa efa tsy hita poapoaka
Izay rehetra am-pelatanan’ ny madinika lanin’ ny moka
Ahirato tsar any maso, ny ankamaroan’ ny tanora tafa baka
Tsisy lalan-kafa afa-tsy Ankatso, ny mmadinika foana no victime
Na miakatra ohatrinona ny vidim-piainana fa tsika foana no victime
Betsaka ny ataon’ ny ataon’ ny fitadiavana mitotototo
Zandry kely eny ho eny no mitsindroka maloto
Mampalahelo tokoa ny miheritreritra hoe misy ny sasany
Tsy mila tsemboka nefa ny any am-posy fenofeno koa
Mampiala ilany, firy taona no nisahirana nefa hatramin’ izaozoky be
Tsy mety mahita mangirana, aiza hon aiza gasikara handeha ho aiza i gasikara
Fiankaran’ ny vidim-bary no manampy trotraka ny fahantrana

Refrain

Zava misy eto manoatra nohon’ ny any Indonesie
Manomboka eny amin’ny sisin’ny gara ka hatrany amin’ ny honey
Bizina tsy azo lavina toa solom-pitadiavana
Nefa betsaka ny faly manara-body ny tany mandroso
Taxi be milokoloko (hafahafa ihany) resa-politika sy antoko (hafahafa ihany)
Miketrika andro aman’ alina ny gasy hoe inona no mety mandeha
Mpanao varo-mandeha mameno ny sisin’ ny ara be
Miabobaka ny mpivarotra VCD eto Tana na aiza na aiza aleha
Tsy maintsy ahitana cyber café, isaky ny faran’ ny herin’ andro
Ny avenue tsy natokana ho an’ ny tanora fa mba miala voly eny koa ny olon-dehibe
Izay no hitan’ ny maso tototry ny hetsika palais
Raha mila fialam-boly ialahy navaozina ny kale (do)
Izay marina nefa tsy norma, izay tokony ahatafarina no fantarina
Fa tsy ny an’ ny hafa no atao maha pôrina
Jereo fa bobaka no mameno tonelina sy dale
Yo man eto ihany izany fa tsy any sao fanina
Mba sanina, mitombo ny isan’ ny olona tsy mihinan-kanina
Ahirato tsara ny maso fa misy zavatra tsy milamina

Publicités
No comments yet

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :