Skip to content

Ditsoky ny ranomaso – Altamia (solo) feat Ando

avril 2, 2009

Blem, tsisy afaka hanova ny fiainako ho tsisy blem,
Nefa, rehefa ny fiainako radem no sintonina
Na diary 2000 aza tsy antonona
Kanefa ny taona efa 2002.
Diary iray monja no ety am-pelatanako
Ka rehefa nosokafan’ity tànako,
Dia tsy tanako ny ranomaso
Namaky ilay Diary keliko iny.
Fa ny fiainako fahiny mitoetra ho mpivahiny
Fa ny takosin’ny Diary miarakotra ny fisiko,
Ny fahoriako rehetra tsy niriako,
Ny fahadisoako rehetra tsy niniako,
Fa ny fisiako mirakotra ny fijaliako
Ary tsy ho tsinjonao satria voatakon’ity fitsikitsikiako.
Fa rehefa anaty fianana voafetra,
Dia mandalo fotsiny ny rehetra
Anaty fahoriana tsy misy fetra,
Fifaliana tsy mitoetra
Ka voatery hiady irery amin’ny rehetra
Andeha irery eo afovoan’ireo sedra
Hamalona an’ireo zavatra efa lasa
Hiatrehana ny ho avy.
Aiza ilay fahazavana fa  ny tomany tsy mety hisava,
Aiza ilay Masoandro, masoandro mpanazava.

Ref: Ditsoka aho, ditsoky ny ranomaso
Ditsoka aho, difotry ny fahoriana
Ditsoka aho, ditsoky ny ranomaso
Ditsoka aho, difotry ny fahoriana
Ditsoky ny ranomaso, difotry ny fahorian

001 tsy miova loko, fa ny foko hitempo impiry, impiry ?
Vao tsapako fa mangirifiry ny fiainako teto an-tany.
Fa efa firy, firy ireo akama tsy tanan’ny tanàna .
Tsy tan-dalàna rehefa ny akama no mitoetra
Ao am-pon’ny tsirairay, 4 nefa iray,
Hitoetra mandrakizay doria.
Ilay Ray no hitoetra mandrakizay
Andradraina ny fiainana rehefa ny ranomaso no mahaditsoka
Indraindray ny fianako voarakotry ny penina sy liritsoka
Hay soratra nihitsoka taon amaro tao anatin’ny tasitara
Nihitsoka aman-taona ohatran’ny fiainan’i Gasikara,
Nanakatra ilay vohitrin’ny Disapara.
Ny Paradisa voatantara,
Tantara narafitra ho kanto to hirindra tsara
Tsara raha toa ka ny fiainako no hikorisarisa,
Kanefa indrisy fa feno disadisa.
Tsy avela hikozy ireo maro an’isa
Ka aiza nomisy an’ilay Masoandro fanilon’ny làlana ?
Fa aiza ilay akama hanolotra ny tanany ?
Fa aiza no misy ireo tena namana ?
Namana eny amin’ny làlana.

Ref: Ditsoka aho, ditsoky ny ranomaso
Ditsoka aho, difotry ny fahoriana
Ditsoka aho, ditsoky ny ranomaso
Ditsoka aho, difotry ny fahoriana
Ditsoky ny ranomaso, difotry ny fahoriana

Rehefa niafina tao anatin’ny taon amaro
Ireo ranomasom-pijaliana;
Rehefa tsy nasiana fepetra ireo andro itomaniana
Dia nasehoko anareo ampahibe maso, ho variana
Ianareo raha tantaraiko ny fiainako
Nanatri-maso ny zava-misy
Dia ho ditsoky ny ranomaso koa ianareo, maro tsy voaisa
Ianareo no hiombon-kevitra amiko.
Fa rehefa ny fiainako no ho voafetra: dia ho ditsoky ny ranomaso
Rehefa fahoriana tsy misy fetra: dia ho ditsoky ny ranomaso
Rehefa ny anjara no voarara: dia ho ditsoky ny ranomaso
Rehefa manao jery todika ny tantara: dia ho ditsoky ny ranomaso
Rehefa mitady ilay fiadanana: dia ho ditsoky ny ranomaso
Ka fiadanana ho an’ireo izay mitady ny Paradisa
Fiadanana ho an’ilay ranomaso farany sisa
Fiadanana ho an’ilay Vohitry ny hasambarana
Fiadanana ho an’ny rehetra,
Fa any angamba vao hifarana ilay ranomaso.
Fiadanana ho an’ny rehetra
Fa any angamba vao hitoetra ilay mason’ny andro
Any angamba vao hiposaka ilay masoandro, masoandr

Ref: Ditsoka aho, ditsoky ny ranomaso
Ditsoka aho, difotry ny fahoriana
Ditsoka aho, ditsoky ny ranomaso
Ditsoka aho, difotry ny fahoriana
Ditsoky ny ranomaso, difotry ny fahoriana

Nihtsoka anaty alahelo ny kofa ka nangina
Namaloma my lasa, hiatrehana ny ho avy.
Aiza ilay fahasavana fa ny tomany tsy mety hisava.
Fa ny tomany tsy mety hisava,
Aiza ilay masoandro, ilay masoandro mpanazava,
Masoandro mpanazava
001 no hanazava, 001 Klan no hanazava …

Publicités
2 commentaires leave one →
  1. octobre 20, 2010 1:03

    tam zan andro zan !mlay e!!

  2. Shinigami permalink
    novembre 30, 2011 4:29

    misy manaan vidéo an mp3 anio vazo io ve???mba alefaso @ ty lien ty ranga a: http://www.facebook.com/lova.ramanantsoa#!/lova.ramanantsoa

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :