Skip to content

Flash back – Tongue Nat feat Toky

avril 2, 2009

Tongue :

Mihodina ny taona, mitombo ny taona,mihodina ny heritreritra,flash back
Hafaliana no mameno fo ohatran’ny tamin’ny nahazo bacc
Ohatran’ny hoe tsy nahazo daka sy fehikibo,ohatran’ny hoe tsy bedy
Ohatran’ny hoe tsy bado f’efa hary elatra amin’izao ny bandy
Ohatran’ny hoe ity tanako ity tsy nilalao fotaka
Satria ny saina amin’izaomiady anaty fiainana mafotaka
Feno fitaka,taloha nitsotra ny tànana  dia nisy ny rotsa ka!
Amin’izao tsy poinsa, tsy maintsy izaho mihitsy no mirotsaka
Ohatran’ny hoe tsy nikifa an’i Chantal Goya sy Bouba
Amin’izao freestyle sy peura an’I Booba no bobaka
Ohatran’ny hoe tsy nihosim-bovoka aho, mitazana ireny ankizy ireny
Avy eny am-bovoko  nilalao baolina namovoka
Ohatran’ny hoe tsy niantohana rehefa tafitohana
Satria amin’izao mampionon-tena rehefa misy manafintohana
Miverina ny tsiahy, tsiaro tsy hay adino tsy hay fafana
Satria hafa foana ny fahazazana
Ohatran’ny hoe tsy nomena fotsiny ohatran’ireny miandry mana
Stria anjaran’ ialahy indray ny manome dia amin’ ny ho avy manomana ozy mana
Ny taloha aho manimanina sanina
Lavitry ny menimenina dia akaiky ny fon’ I neny

Toky:

Mba teneno azy kely leisy ra-tongue
Ilay fiainan’ilay boay kely taloha
Mifikitra @ revy tsotsotra tsy manam-paharoa
Avelao ambonin’ilay taratasy fotsy
Toy ny mitantara sary mainty sy fotsy
Izao isika izao, folo taona taty aoriana
Samy te hiezaka ny hizotra ohatran’ny rano mikoriana
Nefa sempotra, kenda, tsemboka, mendy vao rendrika
Miketrika isan’andro ilay tolona mampiona endrika

REFRAIN:
Mba lasa aiza ilay boay kely izay tsy mba nanana ahiahy? (Flashback)
Variana miady @ hozatry ny fiainana
Kandra isan’andro no hiainany hoa
Mba havereno ato amiko ilay taona nahafahana nananihany (Flashback)
Sempotra ùanaraka ny lalana
Mitodika mankany @ fahasambarana

Dia ohatrany hoe tsy nino an’I Santa Cruz
Ohatrany hoe tsy ohatran’iny papozy iny nifoha maraina @ feon-dakolosy
Ohatrany hoe tsy nioraka raha nahazo game ny matin
Eny an-tratran’i bôfy no niantoraka iry sisa no tsy nobataina
Ohatrany hoe tsy nilalao bataille
Ohatrany hoe tsy nitsiriritra poster dia nilaiso bouteille
Ohatrany hoe milay loatra mamy loatra tamin’ireny
Satria amin’izao efa lehilahy lehibe fa mbola mihanta @ reny
Ohatrany hoe tsy ilay bandy saro-kenatra ambody micro
Amin’izao complicen’ny stylo, accro @ studio
Ohatrany hoe tsy nanao tsikonikonina
Satria amin’izao anaty rima indray no mikenokenona kalkalma
Ohatrany hoe tsy natao tata t@ kitron’ny bata
Bandy e! ohatrany hoe tsy ny nononon’ineny io no naha ngeza ahy
Satria amin’izao, za sy zay blem eo mifanao tête à tête
Dia ôzy aho hoe tsy aty amiko aty no mitetateta
Satria amin’izao efa miketriketrika ny coco, ny divo mila micaca
Satria hafa ny taloha teo akaikin’i neny no nidodo
Satria tsisy dada antsoina intsony hihantahantana
Efa lehibe dia anjaran’ialahy ndray no mieskiva ny jonon’i satana

Dia mitohy ny fiainana
Fa tsy ohatran’ny taloha intsony hoe kilalao kilalao
Amin’izao za mihatrika ny blem
Satria tsy ho eo foana bofy sy bainina, bainina a!

REFRAIN….

Falsh back ato an-dohako ato
Feno sary tsy miato ny fahazazana zato isan-jato
Tsiaro tsiahy hoe ankizykizy e!
Amin’izao tsy ambanin’ny elatry bofy tsony fa tsy kivikivy yeah!

Publicités
No comments yet

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :