Skip to content

Lova tsara indrindra – Nosmas

avril 2, 2009

Mianara ianao, mianara tsara fa ianao no hoavin’ i gasikara
Mianara foana mba hanafoana ny fahantrantsika gasy
Satria ny fianarana ihany no afaka hanafoana an’ izany
Noho izany mibosy, mibosy tsara, mibosy mafy, mibosy foana
Dia handroso ny firenena satria ny fahantrana ho foana

Amin’ ny Malagasy, ny lova tsara indrindra dia ny fianarana
Akanin-jaza makany makany hatrany amin’ ny famaranana
Afaka baka dia tafa hoy izy ny sasany nefa tsy fantany
Fa ny an-jery manontolo dia najoro hanampiana azy
Hnampiana ny fari-pahaizany mba ahaizany, hiasany
Ary koa ho tody amin’ ilay nokasainy, ilay tanjony ao an-kandriny
Ny antony hibosiana mantsy dia ny ho tafitana amin’ ny fiainana
Izay ilaina ho entina am-pisainana ao amin’ ny fiarahamonina iainana
Sy izay tontolo hiodonan’ ny fiainana, mila mitandrina tsara
Satria nianatra soa aman-tsara, nahita ary nahatovo fahalalana
Nihezaka, nikiry, nanala fanadinana impiry
Tsy mba nitsatsaka fan a ho afaka na tsy ho afaka
Amin’ ny herintaona indray manarina, aza kivy fa matoa tsy afaka
Dia tsy sanatria tsy nianatra fa tsy nahay nandanjalanja fotsiny
Ny fotoana tokony hianarana sy ny hanaovana adalana

Refrain

Matoa ny zanaka hampianarin-dray aman-dreny
Dia tiany tsy ohatra azy ireny fa ho lasa lavitra noho izy ireny
Ny ho tafa, ho lasalasa ny zanany izay ihany ny fantany
Tiany ialahy hanoy izay tsy vitany, tsy tiany hiainan’ ialahy izay hitany
Mianara aza variana fa ho tar any sipa any aoriana
Miketrika vao tafa fa tsy vitan’ ny hoe mivavaka be
Na koa hoe risoriso no hanintsiana ireo diso
Ekeko ny sosy no maha rangahy fa ny bosy no maha mpitovo an’ ialahy
Na aiza na aiza aleha izay mibosy tsy very mandeha
Ary na iza na iza handreha izay maheno hirehareha
Ary raha mahay izaho, mahay ianao, mahay isika, mahay daholo
Ho avaram-pianarana ny tanora lava volo
Ary ho voakolo ny Malagasy mino aho fa hilaozan-dratsy
Ary io fianarana io ihany no hany vaha olana eto an-tany
Ka isika hoavin’ ny firenena ihany no hiankinan’ izany,
Izay maditra tsy ho tafita ary izay mahay mandrindra hifindra

Refrain

Ny fianarana hono no lova tsara indrindra, mibosy ialahy dia mifindra
Mingitrika dia tsy mifindra nefa raha tsy hianatra hanao inona
Ary raha tsy misy tanjona ho aiza, hatraiza ny fetrany (fetrany)
Ataovy fehi-petra ny tsy ho degany, tsy hidegany, tsy haditra
Amin’ izay tsy hipitrapitra fotsiny hijery ny hafa ho tafa
Hafa ny taloha, ny vehivavy ABD dia manambady fa amin’ izao
Efa mitovy ny zoan’ ny lahy sy ny zoanao ka izao atao raha sitrakao
Ataovy aloha izay azo atao, milalaova ianao aloha
Fa tsy dia mety loatra fa tsy dia mety loatra ny lasa aloha
Satria mahasoa vao mahafinaritra fa raha tsy izany isika hahantra
Mila miharitra fihafiana far aha tsy izany tsy vadin’ Andriana
Aza miheritreritra ianao vehivavy hoe velomina dia tsy hitravy
Adaladalain’ ny sola dia lasa hadoladolan’ ny vola
Mianara ianao mba hiasanao, miasà ianao mba hinananao
Amin’ izay mihena ny tsy an’ asa dia handroso amin’ izay izao dago izao

Refrain

Publicités
No comments yet

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :