Skip to content

Maditra rap – Roy Maaro Foloalindahy (R.M.F)

avril 2, 2009

Réf : Ambany Tany mandrakizay satria ‘zaho F Mafia/F Mafia/F Mafia
Maditra rap mafy loha satria ‘zaho S Kamikazy / S Kamikazy / S Kamikazy

1/3
Tonga soa ato @ Foloalindahy sy ny tontolo mozanelianina
Mafy loatra izy satria MAFIA na tsy mahavoa aza mahafanina
Ny zava-bitany tsy azo indramina
Miaramila mafy loha mamy hoditry ny taniny
Tsy hidiran’ny inspirany ny môza laniny
Fanafihana mivaly fanafihana toto-afo
Mihoatry ny manara- penitra ny zava-bita vidiana lafo
Tsy miala an’ady ,tsy mila andraso andraso
Anatin’ny haizina hamirapiratra ny tavany
Tantara mipetraka no tanjony fa tsy lazany
Hanohitra @ alalan’ny laha-teny
Maditr’izy fa ny faribolany tsy hoseny
Lavitry ny tonon-kiram-pitia ny loha-teny
Mozika fiainana ity fa tsy fngalàna fy
F.Mafia tsy mila joba tsy mila mpandihy
Mpaka endrik’ho nofy
Diso ianao raha aty no mila rotsy
Aloka anatin’ny heriny
Hananatr’azy ny feriny
Tsy @ ràny ny neniny
Tsy diso @ heritreriny
Psyko ny sorany tsy hamadika azy ny teniny.

Réf: Ambany Tany mandrakizay satria ‘zaho F Mafia/F Mafia/F Mafia
Maditra rap mafy loha satria ‘zaho S Kamikazy / S Kamikazy / S Kamikazy

2/3
Ny asa-sorany hitoetra
Ny Halebeazany tsy hana-petra
Hi-rap tsy ho an’ny rehetra
Tohitr’ho tarigetra
Handatsa  nefa hanoro @ kozy seka
Aha-mafy azy ny valin’ny sedrany
Tsy te halaza no tsy natao ho an’ny lebany
Aty tsy fangalam-boninahitra
Tsy fanalàna azy tsy rendrarendra
Tendry fa tsy anjara ts’isy kisendrasendra
Ambany tany ny ahy mandrakizay fa tsy handalovana
Tsy halazo ity satria tsy hamofona raozy ohatran’ny an’ny tsy mivadi-trovana
Tsara izy matoa arovana
Ny tasitara ho vatolampy handihizan’ny varatro
Ho an’ny mpanenjika halama ny lalako
Ho vavolombelon’ny diary ny asa-tanako
Mafy aloky ny hery ho filamatro
Inoako fa rehefa tafita tsy hamadika ahy ny mpianatro
Mozika ny ahy fiainana
Handeha irery tsy hilàko fitarainana
Peta-toko tsy anaty
Tonon-kira hafatra @’i Roy natao hisainana

Réf: Ambany Tany mandrakizay satria ‘zaho F Mafia/F Mafia/F Mafia
Maditra rap mafy loha satria ‘zaho S Kamikazy / S Kamikazy / S Kamikazy

3/3
Masika fijery
Mahitsy fiteny
S.Ka sy ny tanjany ampian’ny heriny tsy handeha irery
Avo toerana fa tsy faheno ombieny ombieny
Seksionan’ny kamikazy ho tarigetra
Paik’ady hiaro ny mozikany no fepetra
Hialako tsiny raha toa ka mafy ny seka
Anatin’ny koltorany ny F.M tsy hametaveta
Mijoro toa avo lenta
Miaramilan’ny aloka philo-psyko @ lahatsorany handefa
Hare-tsaina hare-tsoratra hiantefa
Hiteny hasiaka loatra ho an’ny rehetra
Litera ho solon’ny bala an’ady
Malalaka ny lalany fa ny vazom-pitia ny azy no fady
Ny lalàny ho mandan’ny aro sy kiady
Ela niainana fa mbola tsy nitory tena favy
Anatin’ny fahamatorany @ tontolony ts’isy sangy
Tsy anisan’ny mpiantso hifanasa-vangy
Maditra rap ho andry
Ny hamafisan’ny sainy ny azy ho solon’ny sandry

Réf: Ambany Tany mandrakizay satria ‘zaho F … /F … /F …
Maditra rap mafy loha satria ‘zaho S … / S … / S …

Publicités
No comments yet

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :