Skip to content

Maitso volo – Insol-D

avril 2, 2009

[Akbar]

N’inona sento / moa ve ts’ misy tanjona eto gasikara
Anatin’ny fo / ‘zay mandona anaty fo
Fa fandalovana no hita, fa fandalovana ny taona
Fa fandalovana ny fiainana an-tany / mampalahelo
Zay vao koboko / fa fitaka, hum! ny hatanorana hampaditràna
Mitoetra hatrany maneran-tany.
Manimba ny hatanorana, fa very ny hanitry ny fahalalana
Ankahalalahana tsy tana / mampisy ny fahaditrana
Angamba / mety ho ontsa ihany ny tena , hanontany tena

Rafehendrena, mety ho lasa hetahetam-po ny tena
Dradraina impiry, f’efa impiry ts’ misy fiantona
Sanatriavo / lalovan’ny sivilizasiona hafa
Vao saina tonga / hamela ny ditra, hamela ny mahazatra
Hamela ny efa nahitana ratra tsy omby tratra
Nefa etoana / no ilazako ny fahendren’ny Dago
Ho drafitra hita maso tahaka ny Tanà 102
Fa manapetra ny tontolo, tontolo lavorary
Ka ankarihary no hilazako ny tanora Gasy

Ref:
Zay mila fafiny eto (x2)
Omeo toky ny hetahetam-pandrosoana
Zay mila fafiny eto, mila mahatsapa hatr’eto
Kaly, kofa akama, mila mahatsapa hatr’eto

[Tex]

O! ry ambany lanitra ô! an’iza ny tsiny raha solafaka
fa fiainana ny azy, tsy misy tokony hasakana
Raha niny ny miaina ny andanjalanjana ny tokony atao
Ny anjaranareo dia ny andinika ny zava-bita hatr’eto
Mahay mihaino ny aty, mahay miteny satria
Mahay maka mamy ny fiainana finaritra ery
Mahaiza misafidy ny tany alaoky ny zava tsy andratra
Fa ny zava tsy tana, mety hanimba ny sofin’ny hafa

[Akbar]

Enjikenjika efa ho lava sy kia, ka mankaleo
Nefa eo / tsy misy misafidy hatanorana
Fanakianana tsy ho lany, ts’ misy fanamperana
Nibodo toerana / Dia ho aiza ny tanora maitso volo
Eto aminy tontolo / voahifika, voahifika.
Ts’misy fika ny anarany, ts’misy fika ny anjarany
Fa fitsarana ivelany foana no nampiariny
Nefa INSOL-D tsy mandà ny hita maso rehetra
Ho tarigetra / fa teny fanamby mitoetra.
Fa aoka ny any ambony tompon’ny teny farany
Fa an’ny olombelona miaina fa azy ny fafiny.

ref:

[Tex]

Taona ela niandrasako ny faniriako kanefa
niserana ato anatiko ny tsiro ka maty hitoetra
Ahitako ny tsara, ka nahitako ny ratsy
Tasapako tokoa / fa refa revy mety mahafaty
Tsy nangalako lagy fa / nireveko milamina
Tsy fiainana kinaninanina, ra tsy mahavoa mahafanina
Nofinofy ny fahazazana, mandalo ny hatanorana
Isan-karazay ny feeling tsy mahatamana
Mazàna / tsy maha tandamba noho ny disadisan’
Trano, ka hidiran’angano / noho ny asalàna tsy tàna
Ka mba misaina, mba miaina ny fifehezan-tena
Ka andrandraina fa olomangan’ny firenena atsy ho atsy
Tsy safidy ny hatanorana, tsinjovyny any am-para
Fa fandalovan-tany, f’efa ela no nahatsapana ka ‘zay!
Zay lay izy ‘zay, fa anjaranao no mandray ‘zay fandrify
Ka atsipy ho an’ny tsy mana-tsafidy

Publicités
No comments yet

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :