Skip to content

Sedra (ho ahy) – Jeedai feat Randy

avril 2, 2009

Ny tsirairay hono tsy maintsy mandalo sedra
Raha mbola eto am’ty tany malama maina
Sedra mampijaly eo ampavoazana, mahafanina, mampitaraina
Nefa mahafaly rehefa voasivan’ny fotoana

ref:
Tsy moramora ny misaraka aminao
Lasa lavitra aa
Izao indray no mitomany fa
Irery fa tsy eo ianao
Lay fitiavantsika nokasaina hatao
Hany tapaka a
Mbola hiverina eo anilanao izao
Tena manina ny tsikinao

Lasa le raoziko nandeha nandao a, lasa lavitra avo
Nanao veloma izy nanoroka de nentin’le vy nidina avo
Ny maso nisosa nanenjika tsy nahatazona, le izy lasa za lavo
Nivalo nitoloko ny foko nalahelo ory tsy nitsiky tsy nety ravo
Yeah, ny fo nivalo ny ranomaso nifanenjika nitete de raraka
Ranomaso tsy alahelo be ny a ho a za nivavaka
Mba ho soa anie ny dianao ho tonga ndray enao tsika hiaraka
Hanoy ny teo aloha tsy avelantsika ho very tsy ho raraka
Na de lalina ny ranomasina, manasaraka, ny dinatsika anefa masina
Iza no tsy mahafantatra ny fitiavantsika tsy azo roasina
Raisina amin’ny endriny tsotra tsotra sady manankasina
Ka na le kozy hoe lavitry ny maso lavitry ny fo aza maty maty hasina
Mbô kozy e le nitempo nalahelo, kanefa tsy naratra
Tsy naratra satria izy kopy enao lasa tsy lasa hoe handratra
Fa nandia ny lalan’mpiainanan’ny anjara sy ny lahatra hianatra
Hanampy le fahalalana hananako, io ny hoavintsika taratra

ref:

Tsy moramora ny misaraka aminao
Lasa lavitra aa
Izao indray no mitomany fa
Irery fa tsy eo ianao
Lay fitiavantsika nokasaina hatao
Hany tapaka a
Mbola hiverina eo anilanao izao
Tena manina ny tsikinao

Ankehitriny anefa tsoriko tsy hay ny tsy hisento
Eto za tokana manirery ato an’efitro mivetsovetso
Mangatsiaka efa zatra ny vatanao mifatotra am’vatako
Zao za sisa tsy feno hafanana ambany ondana ny tanako tsy zakako
Tsy zakako izy zao fa inoiko tsy maintsy ho zakako
Nefa tsy arako ze atao, mivondrona ny sarinao no taratro
Ny saiko lasa misaina hoe kii, lasa lavitra any le silako le anjarako
Raha fehezina de any an’tanin’olona any ianao, ianao le fitiavako
Lasa enao nentin’le voro-manidina nisidina nanenjika kintana
Kintana manjelatra taratra mazava fa tsy mety midina
Isan’alina a mitraka mijery an’dry zala mandravaka ny alina
De tsikaritro hoe io io afovoany io le, le mazava indrindra aminy
Tô tô le firavaka kantoko lavitry ny masoko, gaga a to enao io
Le kintana fantatro fisiana fa tsy azoko kitihana to enao io
Ianao le vato mamiratra tô diamodra na perla tsy vaky
Mamapiaingo a le volamena mavesatra mitazona amin’ny fo feno tsy pôkaty

ref:

Tsy moramora ny misaraka aminao
Lasa lavitra aa
Izao indray no mitomany fa
Irery fa tsy eo ianao
Lay fitiavantsika nokasaina hatao
Hany tapaka a
Mbola hiverina eo anilanao izao
Tena manina ny tsikinao

Voasaraka tsika de ho tritra ve k’ho vaky le dinan’tsika
Ts’inoko zany na de tsy hita aza hoe io mifangiditra eto tsika
Satria ny fo mbola mifamatotra anaty hafanana, voafono tsy mangatsika
Tsika tsy mifankahita fa ny fahatsapan-tsika mikoriana tsy mety ritra
Tsy tokony ho ritra kanjo iny tsy nampoiziko nandalo
Akanga nandangolango nitady ny hanariako ny akoho tamantrano
Tamantrano fa tsy ato antrano lavitra tsy antany tsy andrano
Izy nandrabiraby niraviravy, asidra nisedra za nidiran’angano
Ny fitiavako hano hoy izy, izy hadinoy hoy a
Kay le, ahoana ary ty, nitsiky izy kola a
Ho ariko ve le tia a, inn ary ty ho a
Sedra hitsapana ny maha za a sa, fakampanahy handravana a, an?
De indro tojo tojo ny sarinao nitsiky ny masoko za nitsiky
Nitsiky saika nisento raha latsaka tanatin’ity faka nitsiky
Nitsipika nitsatoka teto anoloako fa nahatsapako hoe tiako enao
Tena izy ka na sedra inn tsy ahalavo a, yeah, tiako enao

ref:

Tsy moramora ny misaraka aminao
Lasa lavitra aa
Izao indray no mitomany fa
Irery fa tsy eo ianao
Lay fitiavantsika nokasaina hatao
Hany tapaka a
Mbola hiverina eo anilanao izao
Tena manina ny tsikinao

pont:

Tsy moramora ny misaraka aminao
lasa lavitra a,
(lavitra ianao)
zaho indray no mitomany
ilay fitiavantsika,
nokasaina hatao
hany tapaka aa.
(yeah yeah,)
Mbola hiverina a.

Outro : Manantena a,
manantena fa mbola ho avy ianao
manantena a.
Sedra ray ho ana
Sedra ray ho an’la
sedra maro no eto an’tany
sedra be de be de be de be tsy mety lany.

ref: tsy moramora ny misaraka aminao
lasa lavitra aa
izao indray no mitomany fa
irery fa tsy eo ianao
lay fitiavantsika nokasaina hatao
hany tapaka a
mbola hiverina eo anilanao izao
tena manina ny tsikinao

Publicités
3 commentaires leave one →
  1. septembre 13, 2009 8:12

    Mlay lé vazo! Fanajana B d B oany lisany.Mahafinaritra e!

  2. Rindra permalink
    octobre 6, 2010 11:43

    Mlay b nama n vazo n jeedai
    F za ato téna mtady ny vazon’i jedai rhtr f tsy kobo mint nedal
    sao d mb mis manan num nedala na ny mailaka na ko sao dia ao @ facebook izy
    fanajanabé

    • HH Dago permalink*
      octobre 8, 2010 9:24

      Efa nalefa mailaka any ny contact an’i lery.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :