Skip to content

Tontolo mangidy – Roy Maaro Foloalindahy (R.M.F)

avril 2, 2009

Tontolo mangidy
Ho an’ny tany
Ho an’ny fiaraha-monina
Ho an’ny fandrosoana
Ho an’ny fitiavan-tena

1/1
Tontolo mangidy
Hiavotra ho takona
Hiaina anatin’ny haizina
Anatin’ny lalàna, ny volon-koditra ho lanjan’ny famaizana
Ny saranga hametraka lavaka
Mpanan-karena hijoro ho mpanavaka
Raha mainty ialahy voahavaka
Am-ponja ny mahantra no handravaka
Ny sasany an-katerena vao hivavaka
Mpitsara ivelan’ny tsihy am-piangonana te hiavaka
Tany mahonena milomano anaty fahantrana lalina
Aty ny vola no tompon’ny hery hanakona ny marina
In-dray lavo sanatria no ho tafarina
Ny ho avin’ny taranaka tsy misy fanantenana
Mihidy ny varavaran’ny fahombiazana ny tongotra malama
Natao ho an’iza moa ny tena lalàna?
Hatraiza ny fetran’ny rariny sy ny hitsiny?
Hatraiza ny filan’ny tany voafintiny?

2/1
Tsy hitsahatra ny soratro raha mbola halahelo ny foko
Zoina mampahonena
Valin’ny tsiky ho toloko
Iharan’ny ngidin’ny fiainana ny lalako mandroso
Vatana simba tsy afa-tomany
@ fiainana zavatr’iray no tena atahorako alohan’ny hetraketraky ny tany
Nitranga izy noho ny tsy hadisoako
Tsy izaho akory no nanimba ny akany
Fa ankehitriny kosa tsapako fa izay nosimbaiko ilaiko amboarina
Tafahondrika ny loha nefa tsy maintsy hakarina
Saingy @ izao endrik’iray no hiankinan’ny ho aviko
Ka na mangidy aza ny tontoloko dia iray ihany ny ho iriako ho fanantenako
Ka ny hafa ho laviko

fiverenana:
Tontolo mangidy
Haizina ny tarany
Fahefan’ny saranga andevozin’ny lalàna anarany
In-dray lavo sanatria no ho tafarina
Tany maloto feno mpamadika tsy vonon-kanarina
Tontolo mangidy mahantra olo-kendry mahantra olo-marina
Tontolo mangidy ho an’ny tany

1/2
Fa misy tompony ve ny tany nahoana ny hafa no tsy hanana?
Mila fandrosoana ve ny varotra tsy handrakotra ny lalana?
Ho an’ny hafa tsy mitombo ny an-tanana
Fanjakana tanan-kavanan’ny mpanana
Mibolila tsy azo sakanana
Ny vola no hitsarana ny voninahitra
Voahodiny ny tany izy hijoro ho mpandahatra
Hihoa-pefy ho fahavalon’ny fiaraha-monina
Hiafy hijoro ho tohotra ho solon’ny sorona
Tsy hiady ohatran’ny maloto atosiky ny rano @ morona
Aty mampalahelo fa voavidin’ny harena ny fahaizana
Tsy hita izay ho faizina
Mangidy ny tontolo miaina ao anatin’ny haizina

2/2
Tontolo mangidy jaly ve hisy farany?
Fahadisoam-panantenana ho valin’ny fahombiazana hanakona ny tarany
Ampiasaina valin-katsembohana levy no sarany
Hiasa tena tsy hahita mangirana
Hitrongy vao homana ny anjara tsy hiilana
Dago mena miaina ao anatin’ny loto
Saina mafy hiondrika haràtra ho enti-mandroso
Isan’andro ny tany tsy afak-habibiana
Raha kely saina kely sandry aleo mangina
Fa na mafy aza ny ady ny maha gasy ny ahy tsy ariana
Ny hetraketraky ny hafa hiafiana
Ny ambony ambony ny ambany tsindriana
Saingy izaho tsy hilavo lefona
Sanatria ny ho fesona
Fijaliako in-dray ny ahy hakako lesona

Fiverenana:

1/3
Izay hasambarako ve dia tsy maintsy handalo dia hiserana
Ny herim-poko ve tsy afa-mandeha lavitra tsy maintsy ferana
Toa mijoro foana ho fahavalon’ny fiaraha-monina
Hatsembohako very toa ny vatako foana no sorona
Indraindray tsy asian’ny hafa vidiny nefa tsy ahoako
@ tontolo mangidy ve tsy maintsy voafetra ny ataoko
Ny foko haratra, ny saiko ho simba tsy maintsy hitraka
Fiainana hafahafa
Valin’ny tsiky ho daka
Valim-pankasitrahana ho latsa
Ankehitriny alaheloko @ tany ny namohizako ny efako anatin’ny fotoana fohy
Saingy izaho tsy maintsy hitraka anatin’ny fo tony
Diso fanantenana tsy handatsa-tomany intsony
Hiezaka hanohy ny lalana am-pahanginana
Ny fiainana ady, ka amiko tsy maintsy ho resy ny tontolo mangidy mivilana
1/3(tohiny)
Ny vitan’ny hafa ho reseko
Fiainana mandeha irery anatin’ny ditra hisintomako ny fahendreko
Solon’anarako R.M.F Tariq Abd-ûh Houssen hitory ny fandreseko.

Fiverenana

Publicités
No comments yet

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :