Skip to content

Tovozin-tsy ritra – Roy Maaro Foloalindahy (R.M.F)

avril 2, 2009

Réf: Miaramila mahasahy maty
An’ady tsy miala sasy
Roy sy ny inspy tsy ho lany vatsy
Hitory ny haratsian’ny tany anaty ziky rap       X2

1/2
Fa hatr@’izay ny herin’ny “hardcore” efa nandravarava
Hanavatsava ny tontolon’ny R.A.P tsy hirefarefa
Roy hatr@’izao tsy nijanona niady
Ho an’ny F.M
Ho an’ny S.Ka
Ny sora-tanako ho vavolombelon’ny litera ambany tany ho an’izay mitady
Herin’ny fototra iray ho an’zay hanori-trano @ riam-potaka
Aina iray ny teniko fa ny fahazavako efa varavaran’ny fivoarana iray miposaka
Nigan’ny jiady, solotenan’ny miaramila anatin’ny ady masina
Tsy haka fafiny
F’izaho sy tontoloko ho hery iray ho an’ny tontolo miafina
Inspirako alohan’ny “mic”
Maimbo rainkina ny fofony manempotra ohatran’ny lakrimozeny mahery vaika
Tovozin-tsy ritra ny ahy @ mozika tsy taitaitra
Mijoro @ tena fitiavana lavitry ny haino aman-jery mbola raitra
Tsy miala @ asa-tanana voakaly
Hanoratra foana ho an’ny mpiara-belona mijaly
R.M.F @ fiseho tsy miharihary
Miaina tokana tsy mila maka endrika  “2PAC “ “snoop”
Afa-po  @ insta gasy , tsy mitomany resy “clash”
Hoditro fotsy
‘zaho tsy te halaza nefa tsy manaiky voahosy
Faly @ maha-niga merina anatin’ny saina gasy
Tsy hita foana mi-“live “, tsy miandry “dedicace”
Manoratra rima toa mifafifafy
@ fiainana tsy mila fefifefy
Vazo vita tsy hiandrasana tehaka
Rehefa miresaka aho tsy be dehaka
Tsiky ny ahy mivaly tsiky fa tsy felaka
F’izahay raha tsy mipoitra tsy hoe takona fa aleonay mitsilopilopy tsy mety afo midorehitra
Ka tsy ahoako na be foana aza ny kiana satria ny fiainan’ny hafa tsy fiainako
‘zay mbola tsy niainan’ny hafa efa niainako
@ ho avy aho milomano anatin’ny tovozin-tsy ritra ‘zaho samirery sy ny solon’anarako hitarainako

Réf: Miaramila mahasahy maty
An’ady tsy miala sasy
Roy sy ny inspy tsy ho lany vatsy
Hitory ny haratsian’ny tany anaty ziky rap          X2
2/2
Tompon’ny taratra
Jiady hijoro ho fitaratra
Ny anay ity mafy orina tsy ahozongozona ,tsy voazeran’ny mpanasaraka
@ mozika toa enjana
@ fanoratra toa aratra
Antoko mpanamporofo f’efa rezatra ny avaratra
Tarigetran’ny S.Ka ‘zay mitovy rà ihany no tafaraka
Seza tsy mitovy tsy afa-miaraka
Ny volon-koditra aty tsy mampisaraka
Ho an’ny F.M Roy no tompony
Hitazona ny voalohany ho an’ny rehetra hametraka ny fotony
Hijoro @ maha-gasy ofisialy hiaro ny lokony
Fa ny anay aty ny fikambanana zama tsy mila mpisavika
Tsy misy toerana ho an’ny mpamadika
Ka raha mbola  tsaroako hoe tiako koa ny  rap dia izaho tsy ho kahidy
Afa-mirap tsy mila mpividy
Ny lalana be mpanakana , f’izaho tsy mitsaha-mandroso tsy ho kivy
Isan’andro hiara-hisento @ tontolo mangidy
Fa na  betsaka aza no tsy tia ny vazoko dia tsy ahoako
Itsikiako fotsiny ialahy iva fisainana tsy mahalala ny tiako ambara sy ny ataoko
F’izaho ato an-tsaiko efa napetraka tsy hitsaha-mandroso
Anatin’ny tontoloko ve mety ho diso aho raha hiteny fa tsy misy Andriamanitra , sa
Sarotra amiko no hanaiky fa misy tompony ny tany sy ny lanitra
Ny teniko nefa takona fa arafitro anatin’ny tasitara ataoko tsara fantsika
@ sari-teny ialohavan’ny fijery maranitra
Hipetraka ho solon’ny vato @ mpaka endrika ho fandrika
Itoeran’ny hafatra masina @ iantaoniny tsy hiray lasitra
Fa raha mbola hiteniteny foana ialahy dia aza mirap
Raha mbola taitaitra dia aza mitapitapy
Hanoratra ritsoka
Zoky be ts’isy afitsoka
Fa na firy taona aza ialahy mivazo aminay rehefa ratsy dia ratsy
Dia ‘zao kosa ny amiko
Inoako fa tsy ho hadisoako raha toa aho ka tsy hirap intsony
Mety hoe hivavaka tampoka rehefa Tariq hoentin’ny fony
Nefa izany tsy ataoko ho tanjona
Tsy apetrako anatin’ny lahatra
Roy maditra rap mafy loha tsy hanaiky ho voafehin’ny mpandahatra

Réf: Miaramila mahasahy maty
An’ady tsy miala sasy
Roy sy ny inspy tsy ho lany vatsy
Hitory ny haratsian’ny tany anaty ziky rap                X2

Publicités
No comments yet

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :