Skip to content

Tsy fanahy iniako – Donat

avril 2, 2009

Aingampanahy hafa indray ity miainga androany tiy oh ! oh! (x2)

Tsy fanahy inako raha rivotra manempotra ny fisiako,
Na iviny aza ny fafin’izany miaina iafiako,
Tsy tana eo an-tokonana ny hataorana : ny revy tsy ho ritra,
Raditra sanatria hipitrapitra
Hatram’izao aho mpanota voasoketa ho jiolahim-boto eny amin’ny lalana,
Tsy mety laitran’ny balan’ny fananarana, mafy loha,
Entin’ny getona hitaiza mokondoha,
Hitrifana mitady kaly, bizina, dizina nofy ny ahy raha hitady izay tsy natao ho ahy
Tsotra ny ahy : tontolo anaty setrok’aingampanahy.
Dia combat mifampitady amin’ny avenir matetika,
Matetika voaterin’ny fahombiaana hiketrika
Tsy ny fiarahamonina mikonokonona
mahita fingana ho foronina no hisakana ahy ho tompon-daka:
bobaka ny kaka!
Tsy quoi fa ny ahy reveko milay, ny angady tokana iray,
Tsy ho eto mandrakizay.

Tsy fanahy iniako raha manempotra ny fisiako ô
Tsy fanahy iniako raha HH ihany no tiako ô
Tsy fanahy iniako raha ny revy tsy ho ritra
Sanatria ny hatanorana raha hipitrapitra.

Isaky ny maton’alina sy vao mifoha,
Tonga tao an’eritreritro ny Hrao:
Izaho namakafaka ny vanimpotoana niainako
Ka voamariko ho tsy fanahy iniako yeah !!
Aii!

Avy amin’ny lalana no nahitako ny inspi
Hadalana raha nampoiziko hitranga sanatria;
Ny fiheveran’ny haizina tsy hody hilentika
Ny masoandro ka hitambatambatra hanome
Ny (ch! Chk!) andavanandro.
Tsy ho velively ve izany?
Ny mpananatra nataoko ohatry ny mpananihany tamin’izany ay!
Tsy fanahy iniako izany!
Ho tonga ilay tia rap dia nadaboka toa tampoka ny shit;
Anaty rako yo negga!
Io ny rap anatiko any.

Aingampanahy hafa …

Tsy fanahy iniako raha izao aho mbola mpiondana mivika fa efa taizany;
HH no tiako raha mozika na ozy ny kil:
Ialahy tsy ho tanora foana, ho lefy ny rap ka hiova revy hanaraka ny taona.
Izaho tsy kivy, tsy hilako porofo ara-tsivy fa kopy ny ao ambovo
Fa efa ela aho no niana anty move:
Indraindray tsy tazana, tsy kofona aho fa maka bahana
Dia inty aho ry namana.
Tsy resin’ny fitadiavana ity revy ity:
Nifamaliako tamin’ny kaly
Tsy mora ny sakara raha miketrika ny ho MC;
Dia izany ny patiny ho an’izay mpankafy DONAT
Atsipy ho an’lah ilay revy fararanon’aingampanahy.
R.A.P mira D.O.N.A.T antsoy hoe eh!
Solotenan’ny kifan’arabe;
Ampanatren-tena no ijoroko ho maitso – fotsy – mena
Indray andro aho ho andrarezina amin’ny fandresena.

Publicités
No comments yet

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :