Skip to content

Tsy hay adinoana – Nosmas feat Fy

avril 2, 2009

Na dia lasa lavitra aza ny fahatsiarovana tsy ho foana
Fa hitoetra foana satria ny foko hitempo foana
Ka any ankoatra indray mihaona rehefa tonga ny fotoana
Ianao iny koa tsaroako foana ka mandram-pihaona

Tena mafy dia mafy hono izany laozan’ny olon-tiana izany
Havana,namana,olom-patatra,sakaiza
Lasa aiza? Lasa any ambanin’ny tany kanefa mbola mankarary
Ny fon’ izay sisa velona amin’ireo tsiaro sy ireo nenina
Izay tsy hay afenina satria tsy takona afenina
Very aho nilaozan-tsakaiza ka dia milalao vovoka irery
Mikozikozy izaho, mirozirozy irery ary dia marary fo mijery
Ny mpandalo ka mahatsiaroIlay andro iray
Nandaozanao anay nandaozanao ny varavaran-kazonay
tsy nampoizinay 9 Febroary 1995
Tsaroako aho tamin’iny andro iny nangirifiry,narary
Nijaly ,nitomany,nanome tsiny ka izao vao fantatro ankehitriny
Fa eto an-tany isika vahiny ary tsy ataoko mahagaga
Raha toa ka izay ny zava-nitranga; efa lahatro, efa anjarako
Ny hoe 10 taona aho maty ny papako…nefa izy tsy fantatro

Refrain: (NOS & FY)
Na dia lasa lavitra aza ny fahatsiarovana tsy ho foana
Fa hitoetra foana satria ny foko hitempo foana
Ka any ankoatra indray mihaona rehefa tonga ny fotoana
Ianao iny koa tsaroako foana ka mandram-pihaona

Na dia lasa lavitra azan y fahatsiarovana tsy ho foana
Fa hitoetra hatraniatrany ary koa ny foko hitempo foana
Ka any ankoatra indray mihaona rehefa tonga ny fotoana
Ianao koa ho tsaroako na aiza na aiza ka mandrampihaona

Vao folo taona monja aho dia efa notampoan-doza
Ary matoa izaho izao nandova ny fananany sy ny anarany
Dia tiany hampafantariko ny havany sy ny taranany
Ny fisiany teto an-tany izao vao tsapako izany
Ary soa fa fantatro izany fa raha tsy izany aho nanontany
Ka handeha izaho hanoy, hamita, hanaiky izany
Ary handimby azy hatraniatrany ho solon’ny fetin’ny Ray
Tsy mba niarahanay, ny fotoana, hasaramanitra hatrizay
Tsy niarahanay nefa ny fahiny hono tsy azo averina
Ny mitsiahy sisa no azo atao ka ataovy dieny izao izay tianao
Raha mbola eo ilay Rainao fa tsy hanao ohatranahy
Hoe tsy teo ny ahy… vao nanenina aho
Raha ohatra ka mety aminao dia izay tianao atao atao
Fa indray andro any izy mantsy handao anao dia ho itanao
Ary mino aho fa ho tsapanao fa raha tsy nisy anazy ianao tsy ho ohatr’izao
Izaho izao mahatsapa amin’izao ka dia (ssssssssssssssshhh) misaotra anao

Refrain (NOS & FY)

Ataoko ahoana ny hanadino mitady ahy tsy hita izy izaho tsy mino
Ny fandaozany anahy nefa ny anahy-ko rehetra an’azy taloha
Nampalahelo tokoa ny fandaozany an-dra zo
Ka ataoko ahoana fa efa izay hoy izy ny soratra masina izay
“Laozy ny zanakao ho kamboty fa izaho no hiahy azy”
Hanampy an’azy raha manampy azy izy dia ampiako
Ary raha ny zavatra tiako sy hiriako dia ho tsy hisy intsony
Ny ranomaso halatsaka amin’ ny fahoriana toy itony
Ampy ahy izay mifoana aho fa fay satria dia nahamay tamiko
Na mbola zaza aza aho tsy haiku hadinoana ianao papa ah!
Tsy kivy izany izahay, nilaozany izahay, nilaozany ny tranonay
Nitraka hatrany nohon’ ny nilaozany aho, nilaozan’ ny tany
Nihidirany ny varavaram-baton’ izany paradisa izany
Ka izay raha hadinoana ianao toa tsy hay
Ianao no anjely mpiambinanay, razana mitahy anay
Sy mijerijery anay avy eny amin’ ny fiainana mandrakizay

Refrain (FY)

Publicités
No comments yet

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :