Skip to content

Very aho – North and Center

avril 2, 2009

Eny lasa ny herin’andro,namaly iray volana
Izao voa tena tsapako fa mipetraka ny olana
Lasa ny silam-batako,lasa lavitra tsy nampandre
Asa re,fa dia nanjavona teo ve
Irery aho fa tena lavitra anao
Fa dia nahoana kosa no nilaozanao tahaka izao
Tsy nisy ratsy nifanaovana sa izao ilay tena sakana
Tsy milamina ny fiainako mafonja ny hakiviana
Nandoa sakafo natelina aho nangidy dia nariana
Voafitaka,ny mahaolona ahy tapatapaka tamiko
Raha mba eo izao ilay tiako mahita ny fijaliako
Angamba mety hangoraka ka hitsabo ny fangirifiriako

Ref:Tsy hita ianao tsy nampandre
Ny foko miantsoantso hoe:
« Modia fa tena irery aho
Tsy eo akaiky anilanao »

Semban-drahona mavesatra nanarina ny tontolo
Aloka mainty niserana tena tsy matiko lolo
Izaho nikolokolo ry zalahy niketriketrika
Nandrava ny efa vita sady be fitetika
Fefiky ny alahelo ny foko lasa nisy fery
Nandinika nijery ireo adin-tsaina mahery
Nankahery samy irery dia nampionon-tena
Izay angamba ny lahatra ka tsy maintsy nekena
Voafitakin’ny fitiavana aho diso tafahoatra
Ka jambena tsy nahita kay izy ity ratsy toetra
Tonga saina tamin’izay vao taitra nitsamboatra
Nefa diso tara loatra ka tsy afaka nanoatra

Ref:

Tsy te-hahalala izy tsy fantatro izay misy an’azy
Any am-pitan-dranomasina angamba mazava ho azy
Nivalona ihany ity ny taona tsy nisy taratasy tonga
Mahatsapa tena very aho tsy eo akaikinao
Lasa lavitra ny saiko rehefa misora eo am-baravarankely
Voaisako ny kintana tsy hafeniko manirery
Miboboka toaka e hamonoana eritreritra
Dia mi-sentimaka sisa mitanisa ny efa vita
Na dia mibahana ato amiko aza ny alahelo
Tsy zakako fa manjaka ny fankahalana fanomezan-tsiny
Any ka tsy resiko ny fiantsoana tody
Hamaliako faty rehefa tonga iny ianao ka mody

Ref:

Publicités
One Comment leave one →
  1. RABza permalink
    janvier 28, 2010 3:59

    Kaiz….! aiz o aiz @NET rangah no ten met ahitana tena parole rap malagasy, indrindr f ren l afondasy ren!

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :